Ivelan’i Madagasikara : 18 taona namafazana teny sy literatiora i Hajaina

Eo amin’ny tontolon’ny fivelaran’ny teny sy ny literatiora malagasy. Iray amin’ireo nitondra ny anjara biriky maro Andrianasolo Hajaina. 18 taona namafazana ny teny sy ny literatiora malagasy ivelan’i Madagasikara ity mpampianatra mpikaroka, mpikabary, filohan’ny Havàtsa-Upem… ity. Hisy ny hetsika ho fanamarihana izany vanim-potoana izany, hotontosaina ao amin’ ny Restaurant l’Orchidée/91 Avenue Marcel Paul, 92230 Gennevilliers, ny alahady 6 avrily izao, manomboka amin’ ny 1 ora sy sasany tolakandro.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny tsangan-tononkalo narindra sy nosoratan’i Hajaina, ravahina kabary sy hira ba malagasy. Mpian­tsehatra i Hantanoro sy Ny Vetso. Haisoratra ao anatin’ny hanim-py. Ao ihany koa ny ranty. Homena vahana ny ezaka ataon’ny mpanoratra, sns. Hisy, noho izany, ny varotra boky sy taozavatra mala­gasy.

Raha tsiahivina, anisan’ ireo mpanoratra manana fomba fijery mivelatra i Hajaina. Manamafy izany ny fananany sanganasa ahitana tara-kevitra samihafa. Manome lanja ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpanoratra ihany koa izy. Mikajy fatratra ny teny mala­gasy sy ny zava-ponosiny. Maro ireo mpanoratra taty aoriana, maka fototra sy manovo fahalalana avy amin’ ny asa famoronana ataon’i Hajaina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: