Ny OIF no vy nahitana ireo CLAC manerana ny Nosy. Nahitam-bokany amin’ny fanabeazana sy ny kolontsaina miainga eny ifotony ireny ivokolo ireny, izay hetsehina indray hanohy ny andraikiny.
Rahampitso 20 marsa ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankôfônia. Ho fanamarihana izany, netsehina indray ireo Ivontoerana famakiam-boky sy fanaovana hetsika ara-kolontsaina na ny CLAC, miisa 27 manerana ny faritra 17, eto Madagasikara. Sampan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara ireo CLAC ireo, izay manakaiky indrindra ny fiarahamonina eny ambanivohitra. Samy nandray fifaninanana ho an’ireo mpianatra ireo CLAC, izay nahitana ny sokajy asa fanoratana, vakiboky, poezia ary fahalalana ankapobeny amin’ny alalan’ny lalao « Questions pour un champion ».
« Je m’éduque, donc j’agis » ny lohahevitra ankapobeny, nifotoran’ireo fifaninanana. Mazava loatra fa amin’ny teny frantsay izany. Naharitra roa herinandro ny fifaninanana, ka notolorana ny loka sy ny mari-pankasitrahana omaly ireo mpianatra mendrika tamin’izany, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fotoana izay nanararaotan’ny solontenan’ny Organisation internationale de la francophonie na ny OIF, George Nakseu Ngeufang, naneho ny fanohanan’ity rafitra iraisam-pirenena ity hatrany ny fanabeazana sy ny kolontsaina eto Madagasikara izany.
Anisan’ny vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny OIF izay mantsy ireo CLAC izay efa nisy an-taonany maro eto Madagasikara ireo. Mbola nisitraka boky sy fitaovam-pianarana isan-karazany avy amin’ity sampandraharaha iraisam-pirenena ity ireto ivokolo manakaiky vahoaka ireto. Fantatra koa fa hahazo fampiofanana ireo mpiandraikitra ny trano famakiam-boky, raha ny fampanantenan’ny tomponandraikitra, omaly ihany.
Niara-dalana tamin’ny hetsika omaly, ny fampirantiana notontosain’ireo CLAC manerana ny Nosy, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitohy rahampitso, ao amin’ny LMA Ampefiloha kosa ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankôfônia, ankoatra ireo hetsika hafa any amin’ny sampan’ireo ivokolo frantsay eto Madagasikara.
Zo ny Aina