Jerem-potsiny : Tsy maka lesona ny mpanakanto sasany

Izao vanim-potoana izao no tena mampiroborobo fatratra ny fomba fanapariahana ny zava-misy maneran-tany. Tafiditra ao anatin’izany ny fivelaran’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Matetika, anefa, jerena fotsiny izy ireny fa tsy handraisan’ny mpanakanto sasany lesona. Ankehitriny, azo fantarina tsara ny lalan-kizoran’ireny mpanakanto manana ny fahaizany sy ny lazany ireny. Tsy voatery hanao dika mitovy fa mandray ny « soa fianatra ». Zavamaneno piano iray no nanaraka ny feon’i Edith Piaf. Nampiaiky izao tontolo izao ireo sanganasa nohirainy. Valiha tokana no notendren’i Justin Rajoro. Mampitolagaga ny zava-bitany, sns. Ao anaty tambanjotran-tserasera avokoa ny momba ireny mpanakanto fitaratra ireny.
Tahaka izany ihany koa ny fianarana ahafahana manatevim-pahalalana. Maro ireo azo tovozina any anatin’ireny tambanjotran-tserasera ireny. Raha mametraka ho zava-dehibe ny fivoarana ho any amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ny mpanakanto maneran-tany (anisany ny eto Madagasikara). Hitafy endrika vao sy tsy ho very faka ny kolontsaina sy ny zavakanto eto ambany masoandro.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: