“Elles: Femmes et auteurs de nouvelles histoires ». Lohahevi-dehiben’ny fihaonana izay hatao etsy amin’ny AFT Andavamamba, anio, manomboka amin’ny 2 ora io. Fotoana hanasongadinana ireo vehivavy misehatra amin’ny tontolon’ ny kolontsaina izany, ka hanomezana azy ireo ny fitenenana mahakasika izay tontolo ivelarany izay. Notsoingaina tamin’ny maro i Fela Razafiarison (mpanao teatra), Domoina Ratsara (mpanao gazety), Mampianina Randria (mpanoratra), Holy Danielle (mpanao gazety, mpanatontosa sarimihetsika), Joey Aresoa (poeta) ary Ravaka Tahirimihamina (talen’ny famoahamboky Editions Karné). Hizara ny lalana nizorany, ny tanjona sy ny fanamby, ny ady natrehina sy ny fahombiazana, sns, ireto vehivavy ireto.
Mifankahalala avokoa izy ireo, ary efa saika mpiara-miasa tamin’ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina. Mbola iraisan’ireto vehivavy ireto ihany koa ny fifehezana sy fampiasana ny teny frantsay, satria tafiditra rahateo amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankôfônia, anio, ity hetsika ity.
Zo ny Aina