Fanabeazana sy fitaizana: Ny fahendrena tsy mety lany andro

Antony iray miteraka fifandirana na fifandonana, matetika, eo amin’ny tanora sy ny lehibe ny fahendrena. « Ny anareo, efa lany andro », hoy ny tanora. Ho an’ny lehibe (olon-dehibe): « ny fahendrena tsy mety lany andro ». Hoy ny Malagasy: « ny mandrora mitsilany, mahavoa tena ». Fahendrena mety ho lany andro? Tahaka izany koa ny: « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha »… Ho an’ny tanora, « lany andro ireny, satria, tsy mifanaraka amin’ny tranga hitany amin’izao vanim-potoana izao ». Ho an’ny lehibe, tsy levon’ny vanim-potoana ireny, satria, manan-kery hatrany.
Mila fanabeazana sy fitaizana mifanaraka amin’ny ma­ha Malagasy azy ny tanora. Io no antony hisian’ny fifandirana eo amin’ny sokajin-taona samihafa. Fitaizana sahaza ny vahiny no iainan’ny taranaka malagasy, hany ka mijanona eo amin’izay ny fahalalany. Tsy ho azony an-tsaina velively ny fisian-Janahary eo an-tampon’ny lohany. Ny hevitry ny « mitsilany » aza tsy fantatry ny tanora sasany. Fomba ahoana ny ahalalany ny anatra manao hoe: « aza mandeha any ianao mba tsy handrora mitsilany ka hahavoa tena »?
… Porofo iray ahafantarana fa tsy nobeazina tamin’ny maha Malagasy azy ny tanora ankehitriny io tsy fahalalana ny fahendren’ny razany io. Tranga ilam-panarenana haingana!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: