Ny 29 marsa hifoha 30 marsa izao no hankalazaina maneran-tany ny Taom-baovao malagasy. Fotoana ahafahana manararaotra ny hitodihana any amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny fomba malagasy. Iray amin’ireny ny kilalao fahiny nisy teto amin’ity Nosy ity. Mety ho samihafa, mety hitovy izy ireny. Miankina amin’ny faritra sy toerana ary tanàna milalao sy arakaraka ny lalao ananana. Efa ao anatin’ny tsy fananam-potoana ny Malagasy. Noho izany, ny fandalovan’ny vanim-potoana tahaka izao no mila hampianarana ny taranaka. Mila hanehoana aminy ny fototr’olona izy.
Iraisan’ireny lalao ireny kosa amin’ny ankapobeny ny fitaizana maha olom-banona. Eo amin’ny Malagasy, ny lalao, saika, nenti-nanabe ny taranany avokoa. Nampianatra sy nanomana sahady ny hoavin’ny taranany. Io no tsy ampy intsony amin’izao vanim-potoana izao. Tsy milalao tsinkononkonina ny ankizy vavy. Tsy manao kiombiomby ny zazalahy. Hany ka mikaviavia sy manana tokantrano mora lazoin’ny vanim-potoana sy tranga samy hafa, afaka volana vitsy aorian’ny fisoratam-panambadiana.
HaRy Razafindrakoto