Herinandron’ny Flamenco: Ho avy eto Madagasikara i José Antonio Rodriguez

Kolontsaina, zavakanto, fiangaly gitara iray miavaka indrindra maneran-tany ny an’ireo mpilalao ny flamenca. Be mpankafy aty amintsika, ka nanokanana hetsika fizarana momba azy ity isan-taona.

Takalo kanto iray nahitam-pahombiazana tamin’ny andiany teo aloha, ka hitohy amin’ity taona ity ny «Herinandron’ny Fla­menco eto Madagasikara». Andiany fahafito izao, izay handraisana mpanakanto mpiangaly ny gitara flamenca anisan’ny kalaza any Es­pagne. Ho avy eto Mada­gasikara mantsy i José Antonio Rodriguez, ary hanolotra seho roa. Ao amin’ny IFM Analakely ny voalohany, ny 4 avrily manomboka amin’ ny 7 ora hariva. Ao amin’ny AFT Andavamamba kosa ny seho faharoa, ny 5 avrily manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Mialoha izay, hitarika ny masterclass eny amin’ ny Amphi Conficius, Oniver­stiten’Ankatso, ity mpanakanto ity, ny 3 avrily amin’ny 1 ora tolakandro. Natao ho an’ireo mpianatra mozika, indrindra ireo mandalina ny karazana tanety gitara izany. Afaka manatrika ihany koa ireo efa mpitendry matihanina maniry hifampitafa sy hanampy traikefa aminy.
Hanaraka an’i José Anto­nio Rodriguez amin’izao fandalovany izao ilay mpitendry gitara beso, i Sergio di Finizio, izay efa mpiray sehatra aminy amin’ny fitetezam-pirenena ataony. Mifameno an-tsehatra izy mirahalahy ireto, mba hamoaka sy hampiaina ilay tena fanahin’ny mozika Fla­menco, havoitran’ny gitara flamenca.
Hampiaraka ny mozika tranainy amin’ireo ankehitriny ireto mpitendry gitara ireto. Manana ilay kitika sy rangotra mampiavaka azy amin’ny namany samy mpiangaly ny gitara flamenca i José Antonio Rodriguez, izay mampisongadina azy tamin’ireo karazana «festivals» nandraisany anjara maneran-tany. Anisan’ny malaza amin’ity mozika ity koa ry Raoul Rodriguez sy Patricio Hidalgo, izay nandalo teto tamin’ny taon-dasa, kanefa ireo mbola nanamafy fa anisan’ ny sangany i José Antonio Rodriguez. Efa mifampizara sehatra tamin’ireo kalaza hafa toa an-dry Paco de Lucia sy Alejandro Sanz izy, izay tena nanokatra ny lalany tamin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Maro ireo Malagasy mpanakanto mpitendry gitara no nandalina sy mitrandraka ny fitendry Flamenco, ka fotoana fanararaotra ny fihaonana amin’ny tompony toy izao. Marihina fa hetsika maimaimpoana avokoa ny anatin’ny «Herinandron’ny Flamenco», izay karakarain’ny masoivohon’ i Espagne eto Madagasikara.

Zo ny Aina

Partager sur: