Lehilahy iray antsoina hoe Tsila, efa mpamerin-keloka, lavon’ny balan’ny polisy tany Antanimalandy, Mahajanga, omaly vao maraimbe. Jiolahy raindahiny amin’ny asa fanafihana mitam-piadiana izy io. Maty voatifitry ny polisy izy nandritra ny fifanjevoana teo aminy sy ny mpitandro filaminana. Olon-dratsy anaty fikambanan-jiolahy izy ity ary efa ela nokarohina.
Tranona mpandraharaha iray mpivarotra kojakojana fiara nirehitra tetsy Ivandry, omaly tamin’ny 3 ora sy fahefany maraina. Niainga tao amin’ny efitra iray, amin’ny rihana faharoa, ny afo. Tonga namono ny afo teny an-toerana ny vondron’ny mpamonjy voina vao nandre ny tranga. Voafehy tanteraka izany tamin’ny 04 ora sy sasany maraina. Nitandro ny filaminana teny an-toerana kosa ny avy amin’ny CSP8.
Trano iray nidiran’ny jiolahy nitondra antsy sy sabatra teny Ampitatafika, omaly tamin’ny 12 ora alina. Ramatoa iray niara-natory tamin’ny zanany roa mbola kely no hitan’izy ireo tao an-trano. Nijerijery ny manodidina izy ireo ary lasa nitsoaka avy eo. Nafatotr’izy ireo tamin’ny tady avy any ivelany avokoa ny varavaran’ny trano rehetra teny amin’ny manodidina ka tsy afaka nivoaka ireo mponina. Raha ny fantatra, nikendry olon-kafa ireto olon-dratsy ireto tamin’io fotoana io.