Vokatra vaovao hanampy ireo efa nivoaka taloha. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fivoahan’ny “Fanambin’i Rijakely”. Boky tantara an-tsary, sanganasan’i Rindra Razafindrabe na i Riri izy ity, izay navoakan’ny edisiona Hay Tsingory. Anatin’ny sokajy tantara mahatsikaiky, saingy miresaka ny zava-nisy marina eto Madagasikara.
Nosafidiana manokana ny sary mainty sy fotsy, manasongadina kokoa ny antsipirian-tsary, izay tena talentan’i Riri. Ahitana pejy 50 ny boky voalohany, amin’ny endriny A6, azo entina am-paosy. Hisy andiany telo ny vokatra, ka hivoaka tsy ho ela ny tohiny.
Araka ny lohateniny, miompana amin’ny tantaran’i Rijakely, tovolahy zanak’ambanivolo izay mpianatry ny Lycée Antanimiady. Maro ireo karazana fanamby miandry azy rehefa manam-pikasana ny hiakatra an’Antananarivo hanohy ny fianarany izy, aorian’ny Bakalorea. Nifanojo tamin’ny lalany i Menja, tovovavy avy any ambanivohitra ihany koa, izay manam-pitiavana miafina an’i Rijakely, izay tsy fantany akory. Eo koa anefa i Patrick, zanaka mpanana, izay nampisy ny fisalasalana teo amin’ny fanatanterahana ny fanambin’i Rijakely…
Safidy manokan’ny mpanoratra sy ny mpanonta ny tantara an-tsary mampihomehy, noho izy mahasarika kokoa ny mpamaky. Lasibatra manokana ireo tanora, hamerenana indray ny fitiavan’izy ireo ny vakiboky.
Zo ny Aina