Maro ny mahay? Saingy, hatramin’izao, mbola hasarotin’ny sasany hatrany ny famaritana ny hoe: «mahay». Izy io ve tsy azo ampilaharina amin’ny teny mifanohitra amin’ny tahaka ny hoe «vendrana», «donto», «tsy nandia varavaran-tsekoly»… Amin’izay tonga dia hita ho azy ny «mahay». Mahavariana, mantsy, fa nanjary nizara be dia be ny hevitry ny «mahay», taty aoriana!
«Revy sy Rock» mandrakizay. Fampisehoana ny hakanton’ny mozika rock hotanterahina etsy amin’ny Parking Annexe Stade Barea Mahamasina, ny alahady 30 marsa izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ahitana an-dry Green, Tselatra, Apost. Ho tazana eny ihany koa i Serge GPE. Hanatanteraka ny «Guitarist Battle» kosa i Teddy Mage 4 hifanatrika
amin’i Jimmy Poun
Maro ny manan-talenta amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Tsy vitsy amin’ireny, anefa, no tafahitsoka eo amin’ny dingana iray. Antony lehibe miteraka izany ny tsy fahampian’ny fampahafantarana ny lalan-kizorana. Vitsy dia vitsy ireo mitantana na mampiofana momba ny tokony hatao raha te hivelatra amina talenta sy fahaizana zavakanto iray. Tsy mba tazana ny fampiofanana ho an’ny rehetra fa saika samy maka ho azy ny tsirairay.
Na tsy mari-pototra tanteraka aza, iray amin’ireo fitaovana ahafahana mandrefy ny fari-pahalalana ny tambajotran-tserasera. Mety ho tazana ao ny adihevitra mirefarefa amin’ny tany, na ny manidintsidina tsy takatry ny saina. Ny mahitsy filaza, na ny miolakolaka fanehoana. Ny Mirana sy ny vinitra. Ny kamo sy ny mazoto, sns.