Hotokanana ny Lapan’Andrianampoinimerina, eny amin’ny Doany Ankazomalaza Ambohimanga. Hotontosaina mandritra ny Alahamadibe, amin’ity faran’ny herinandro ity, izany. Hanomboka rahampitso ny fidiovana sy fanasinana, arahin’ny arendrina sy ny afo tsy maty ary ny lamalama ny alina. Ny 30 marsa kosa ny safo-drano, tatao, tsitsika, tolotra hasina, joro alahamady, tentina, tsodrano, zara hasina ary ny fitokanana ara-pomban-drazana. Ny alatsinainy 31 marsa kosa ny fitokanana ara-panjakana.
Ny tropy avy ao amin’ny Educ Plus Besarety no nandrombaka ny laharana voalohany, tamin’ny fifaninanana “Teatra an-tsekoly”. Hetsika entina nanamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny teatra”, omaly 27 marsa izy ity. Nahazo ny lelavola 1 tapitrisa Ar izy ireo, ankoatra ny fitsidihana ny Rovan’Ambohimanga, miaraka amin’ireo mpifaninana niatrika ny dingana famaranana.
Efa vonona ny rehetra amin’ny “Bapampa glady be”. Nahatontosa ny famerenana ankapobeny ny tarika Rossy, omaly. Nanaraka izany koa ny lafiny teknika rehetra, izay tena nanaovana fanamby ho an’ ireo seho roa tonta, anio hariva sy ny alahady. Hanome voninahitra ireo mpanakanto nitari-dalana azy teo amin’ ny mozika i Rossy.
Afa-doza i Poon! Efa nahatsiaro tena ary nitombo fahasalamana izy ka navelan’ny mpitsabo nivoaka ny hopitaly nandray an-tanana azy any Frantsa. Mila fanaraha-maso akaiky anefa ny fahasalamany, ary mbola mafimafy ny filana amin’ny fanohizana ny fitsaboana ka mitohy hatrany ny fanentanana ho an’ny tolo-tanana, na eto na any ivelany.