Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja ilay rangahy nampiantrano an’i Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty, andro vitsy lasa izay. Nalefa am-ponja vonjimaika ihany koa ny mpamily taksiborosy tsy nanana taratasy mazava nitondrana ny razana.
Hotsaraina ny alarobia 25 janoary izao ny raharaha momban’i Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty ny herinandro lasa teo. Niakatra fampanoavana tao Miarinarivo ny talata teo ireo mpivady nipetrahany sy ilay mpamily nitondra ny vata-mangatsiakany. Vokany, naiditra am-ponja vonjimaika ilay rangahy mpampiasa azy sy ilay mpamily taksiborosy. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay ramatoa. Fanafenana razana no nanenjehana azy telo ireto. Teo koa ny vesatra amin’ny fandikana ny andinin-dalàna mifehy ny fitondrana razana, hoy ny loharanom-baovao iray. Tsy nanana taratasy mazava tokoa mantsy ny mpamily tamin’io fotoana io, antony nanolorana azy teo anatrehan’ireo mpitsara mpanao famotorana. Samy nandà ny fiampangana azy avokoa anefa izy rehetra nandritra ny fihainoana azy telo.
Sahirana
Tsy hiasa velively no nandefasana an-dRaholimalala Hanitriniaina Nomentsoa Hianja eto andrenivohitra, hoy ny fianakaviany. Tonga teto hipetraka aman’olona izy noho ny reniny sahirana. Taty aoriana, nilaza ho tsy tamana foana anefa izy raha ny filazan’ireo nampiantrano azy. Ka ny 03 janoary teo nitaraina narary an-doha ilay tovovavy. Taorian’izay nantsoina ny reniny mba hahafahana mampody azy any Manazary. Ny ampitson’io, izany hoe ny 04 janoary teo, tsy nahatsiaro tena tampoka i Hianja ka noentina teny amin’ny mpitsabo. Ity farany indray no nandefa azy teny amin’ny hopitalin’Anosiala eny Ambohidratrimo. Ankilan’izay, nampandrenesina ihany koa ny reniny ary niakatra teto andrenivohitra saingy tsy tana intsony ny ain’ilay zanany. Tamin’io fotoana io, nitady taksiborosy itondrana ny razana avy hatrany ireo mpivady nipetrahany. Hitondrana ny vata-mangatsiakany hody an-tanindrazany any Manazary.
Korontana
Niteraka savorovoro teo amin’ny fiaraha-monina tao Beampombo ny raharaha. Betsaka ihany koa ireo naneho ny heviny tamin’ny fomba nitondrana ny razana sy ny antony nahafaty ilay tovovavy. Tsy nisy rahateo ny taratasy manamarina ny antom-pahafatesana sy taratasy mazava nahafahana nitondra ny razana nivoaka ny faritra. Takian’ny lalàna velona anefa izany, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nanao fanadihadiana. Notakiana tany amin’ny hopitaly Anosila ny taratasy manamarina ny antony nahafaty an’ilay tovovavy. Arak’izay, voarakitra tao fa mety « état de choc septique sur pneumopathie infectieuse probablement non contagieuse » no nahafaty azy. Nohamarinin’ireo mpitsabo tao Miarinarivo koa fa matin’aretina i Hianja. Tsy nisy ratra na mangana rahateo ny vatany. Taorian’izay, voasambotra ireo olona telo voarohirohy tamin’ity tranga ity ka nanaovana famotorana.
Henintsoa Hani