Tsy ampoizina intsony ireo heverina ho olon-dratsy! Sarona nanao sinto-mahery ny vehivavy iray vao 18 taona, tetsy amin’ny tsenan’i Mahamasina omaly. Nandritra ny fisisifan’ny mpandeha an-tongotra, nanararoatra ity tovovavy ity. Tsikaritry ny polisy manao fanamiana sivily iray teny an-toerana anefa ny fihetsik’io tontakely io. Narahiny akaiky arak’izany ity farany. Poa toy izay, tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ilay vehivavy ka noraisim-potsiny. Natao ny famotorana ka niaiky ny heloka nataony izy. Nohamafisiny fa manendaka sy manao sinto-mahery izy.
Mpivarotra rongony
Ankoatr’io, mpivarotra zava-mahadomelina teny amin’ny faritr’Andoharanofotsy roalahy tra-tehaky ny polisy teny an-toerana, afakomaly. Nanaovan’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina velapandrika izy ireo ka noraisim-potsiny, ny talata lasa teo. Voasambotra tao ambadiky ny tsenan’Andoharanofotsy, izay toerana fivarotany io zava-mahadomelina io, ny lehilahy iray. Natao ny famotorana ity farany ka nitoroka ilay ati-doha mampivarotra azy izy. Vokany, sarona koa ny lehilahy iray namany. Nogiazana ireo rongony 41 fonosana tao amin’izy mirahalahy ireto.
Tsiferana R.