Nihaona tetsy amin’ny masoivoho amerikanina Andranomena, tamin’ity herinandro ity, ireo mpianatra avy amin’ny Lycée Andohalo ankilany sy ny mpampianatra sy mpianatra amerikanina avy amin’ny Lafayette College Pennsylvania andaniny.
Nifanakalo traikefa tamina sehatra marolafy izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Lafayette Initiative for Malagasy Education (LIME) ny fihaonan’ny roa tonta. Haharitra telo herinandro ny fihaonana ka tanjona ny hampiroboroboana ny fifankahazoan’ ireo mpianatra amerikanina sy Malagasy.
Mpianatra avy amin’ny oniversite sy fakiolte Lafayette miisa 150 no niantsoroka. Mpianatra malagasy manodidina ny 300 avy amin’ny ambaratonga faharoa, hatramin’ny taona 2010 niandohan’ny tetikasa. Nizara torolàlana ho an’ireo mpianatra malagasy mahakasika ireo dingana arahina amin’ny fanohizana fianarana any Etazonia ireo mpianatra manao tantsoroka ireo.
Mpianatra malagasy miisa 10 no efa lasa nandranto fianarana any Etazonia ankehitriny tamin’ny alalan’ity tetikasa ity. Tamin’ity taona ity, nizara torolàlana momba ny fisoratana anarana any amina oniversite amerikanina tamin’ireto mpianatra malagasy ireto ny ekipan’ny Education USA Madagascar. Nisy mpianatra malagasy roa hafa izay efa nianatra tany Etazonia ihany koa nizara ny traikefany.
Tatiana A