«Taombaovao ara-pivavahana » : Nankalaza ny « Rosh hashanah » ny Hebreo notsrym

Volana « habib » midika ho « salohim-bary » ny fankalazana ny Taombaovao ho an’ny Hebreo. Fidiovana, fialana amin’ny fahazaran-dratsy mba hananana fiarahamonina mirindra sy tsara kokoa no tazana mandritra ny fankalazana ny « Rosh hashanah ».

«Rosh hashanah» na ny Taombaovao ho an’ny Hebreo. Fo­toana hifamelan-keloka, hamitranam-pihavanana mba hananana fo madio hiatrehana ny taona vaovao miditra. Fotoam-piravoravoana sy fifaliana. Ny tontolo andron’ny 30 marsa teo, tetsy Ankasina, misy ny « Bet kneset » na trano fivavahana ho an’ireo mpanaraka ny finoana Hebreo notsrym, no nanamarihan’ireo mpanaraka ny fotom-pinoana Hebreo notsrym ny Taombaovao na « Rosh hashanah ».
Niseho tamin’ny endrika roa ny fankalazana ho an’ny Hebreo notsrym. Ny anatiny, fifamelan-keloka sy fikosehana tsy hisy intsony ireo mety ho disadisam-piarahamonina (fanadiovana ny fo amam-panahy). Ny ivelany, kosa, famoahana akanjo vaovao ho any Hebreo handraisana ny taona vaovao. Marihina fa manaraka ny tsingerim-pambolena ny alimanaka arahin’ny Hebreo. Mitana anjara toerana lehibe anatin’ny fankalazana ny taom-baovao ihany koa ny sakafo ho an’ny Hebreo sy ny Malagasy.

Tsy natao hifandrafiana

Maneran-tany, ny Hebreo sy ny Malagasy ihany no mankalaza taombaovao roa. Ny volana septambra, « Lohataona » (Fetin’ny Trompetra) sy ny volana marsa/avrily (Fidiovana na taom-baovao ara-pivavahana). « Tsy tokony hifanditra na sanatria hifandrafy amin’ireo ny Malagasy, fa samy marim-pototra avokoa ny fankalazana ireo taombaovao miisa roa ireo raha ny voarakitra anatin’ny  Torah  no jerena », hoy i Shalar Andriamady Rija.
Nandritra ny fotoam-pankalazana ny taombaovao ho an’ny Hebreo notsrym no nihinanana ny Vary amin-tantely tondrahan-dronono, hanimpitoloha sy ny fandraisana ny tsodrano avy amin’ireo raiamandreny mba hahomby mandritra ny famakivakiana ny taona vaovao.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: