« Woco Urban Vibes »: Ambohipihaonan’ny tanora

Hiditra amin’ny andiany fahatelo sahady. Nahitam-pahombiazana ka hiakatra lenta kokoa ilay hetsika « Woco Urban Vibes ». Hotontosaina ny sabotsy 5 avrily izao, ma­nomboka amin’ny 1 ora ity seho ity, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Ambohi­pihaonan’ny tanora, satria tanora avokoa na ny mpanakanto na ny mpankafy raha tarafina amin’ireo andiany roa teo aloha.
Mpanakanto mitana ny lohalaharana amin’ny fankafizan’ny tanora ankehitriny, no nalahatry ny mpikarakara avy ao amin’ny Dix Zéro Neuf amin’ity. Efa teo ary mbola ho eo ry Rim-Ka, Mad Max, Ceasar, Lion Hill, LJo… Hanampy ireo ry Agrad, Ckyky, Parish, Anatal, Moopcaan. Hanaraka ireo mpanakanto sy hiantoka ny fanafanana ny mpankafy mandritra izany ireo mpikosoka kapila, Dj Gouty sy DJ Stitch.
“Tsy misy afaka eto satria anatin’ny famerenana faramparany daholo ireo mpanakanto ireo izao. Samy miezaka hanome seho raitra satria hanasongadina azy ireo amin’ny tohin’ny lalany ihany koa ny Woco Urban Vibes”, hoy ny mpikarakara nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny Star Andraharo.

Zo ny Aina

Partager sur: