“Efa ela loatra…”, tsy nihaonana tokoa ny Olombelo Ricky sy ny mpitia zavakanto. Io hetaheta ny hifanatri-tava io no nomena lanja lehibe tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina, omaly. Ny figadon’ny zavamaneno eny am-boalohany dia efa fitarihan-dalana hampahatsiahy ny tany amin’ny dimy amby efapolo taona lasa. Nanamarika hatrany ihany koa ilay fifamatorana eo amin’ny amin’ireo teny an-tsehatra sy ny mpijery. Tsapa avy hatrany fa na teo aza ilay fotoana elaela tsy nihaonana, tsy mifanadino sy ampiraisin’ny kanto ny roa tonta. Niarahana nihira hatrany ireo hira niainga avy eny an-tsehatra.
Nandritra ny “Efa ela loatra…” ihany koa no nahitana fa mpanakanto manana ny sanganasa tsy ho lefin’ny vanim-potoana ny Olombelo Ricky. Tsy afaka ao am-pon’ny mpijery maro ireny ka notadiaviny. Tafaray ny tia sy ny manina, satria, tafalatsaka tsara tao anatin’ny fandaharan-kira efa nomanin-dry zareo, izy ireny.
HaRy Razafindrakoto