Taona 2025, mandia ny faha-30 taonany an-tsehatra i Samoëla. “Efa sasany”, no nilazany ity vanim-potoana lehibe ity. Tao anatin’ny fampisehoana “Zara-Revy” andiany fahefatra, notanterahina tetsy amin’ny Kianjan’ny Malacam Antanimena, no nitetezany an-kira io 30 taona io. Izany hoe, saika ireo hira anisan’ny nahafantarana an’i Samoëla no nomena laka kokoa. Samy nakana ampahany avokoa ireo rakikira miisa folo navoakan’i Samoëla sy ny tariny tao anatin’ny 30 taona.
Tapany voalohany, nomem-boninahitra manokana, tamin’ny fanokafana izany, i Ifanihy sy i Tselonina, noho izy ireo zoky namaky lay tamin’ny vazo miteny. Tamin’ny 3 ora tolakandro, Samoëla ranoiray nanomboka tany amin’ny taona 1995. Voatazona hatrany ihany koa ireo mampiavaka an’i Samoëla amina fampisehoana lehibe tahaka izao. Anisan’ireny ny ravaky ny sehatra izay nahitana ireo karazan-javatra fampiasa sy tazana eny anivon’ny fiarahamonina, toy ny “bidons jaunes” sy ny fivarotana kafé sy mofo. Mba ahazoana fotoana misimisy kokoa, nisy tamin’ireo hira no natambatra (medley)
Tao anaty “Zara-Revy”, samy nahazo ny anjarany na ireo zaza sy ankizy tany amin’ny 30 taona lasa, na ireo tanora tamin’izany fotoana izany ka efa tonga olon-dehibe ankehitriny. Fampisehoana ankalamanjana naharitra adin’ny dimy. Tsy fahita raha tsy isaky ny roa taona.
HaRy Razafindrakoto