Nahare fisiana andian-dahalo mikononkonona hanafika, tra-tehaky ny polisy ny efa-dahy malaza ratsy amin’ny fanafihana sy ny halatr’omby tao amin’ny fokontanin’Androvabe Soatanana, Andramoteraka, kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, ny alarobia teo. Andro vitsy taorian’ny fampihorohoroana nataona dahalo tao amin’io tanàna io, nanao fitsirihana ny mpitandro filaminana. Fantatra tamin’izany fa misy ny fikasana andian-jiolahy hanafika. Natao ny famotorana, sarona ny efa-dahy ikoizana amin’io asa ratsy io. Miray tsikombakomba amin’ny fanafihana iarahany izy efatra ireto. Niroso amin’ny fanadihadiana lalina ny polisy ka andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.