« Fianar Reggae Festival »: Mivelatra amin’ny iraisam-pirenena ny hetsika

Andiany fahafolo sahady. Tsy nitsaha-niakatra ny lentan’ny hetsika « Fianar Reggae Festival ». Efa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izany ankehitriny.

Manana ny toerany ny mozika reggae eto Madagasikara. He­tsika anisan’ny ngeza indrindra aty sy manerana an’i Afrika ny «Fianar Reggae Festival», izay miditra sahady amin’ny andiany faha-10 amin’ity taona ity. Hotontosaina ny 18 hatramin’ny 20 avrily ho avy izao ny ny hetsika ao Fia­narantsoa. « Ny taona 2013 no nitsiry ny hevitra taminay mpikarakara, rehefa nahatsapa fa tsy nisy hetsika ara-kolontsaina mihitsy tao Fia­narantsoa. Teraka tamin’izany ny fikambanana Sa­ron­dra, izay nahita an-dry Jean Emilien. Nandalo lalana sy sedra maro ny hetsika », hoy ny nambaran’ireo mpikarakara, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny Yas Mada­gasikara, etsy Andraharo, omaly.
Mivelatra amin’ny lafiny maro ny « Fianar Reggae Festival », rehefa nahazo tanjaka tamin’ny traikefany nandritra izay andiany maro izay.
Hasongadina mandritra ny hateloana ny mozika reggae sy ny manodidina azy. Hano­katra ny hetsika ny sehon’ny Reggasy sy Mashmanjaka. Hotohizan-dry Kyalaa sy Kofa, Zanatary, Kheman – Nadz, Krutambull, Blackman Roots Lion ary ry Jah Roots izany, ny 19 avrily. Hofaranan-dry Rayn’ ve, Jah Fazon, Eka Zaho, 6 Watt arahin’ny fampiarahana talenta kosa ny 20 avrily. Samy ao amin’ny Alliance Française toy ny mahazatra no hatao ny seho rehetra.
Mbola manamafy ny fisokafana ny fahatongavan’ireo tarika avy any Maurice sy La Réunion. Tsy vitan’izay fa misy koa ny fiaraha-miasa amin’ny «Sunska Festival» any Frantsa amin’ity taona ity. Hanana solontena any ny «Fianar Reggae Festival», ka anisan’ireo nasaina manokana i Mashmanjaka, Ranto Niaina, Cedrick, ary Tsila. Ny 2 aogositra no anjaran’ireto Malagasy mpanakanto ireto, hitondran’izy ireo izay reggae milaro mozika malagasy izay.
Ny hizara ny mozika reggae ho an’ny besinimaro no tanjonan’ny hetsika. Antony iray nahatonga ny fiaraha-miasa tamin’ny Yas Mada­gascar izany. Nanambara ihany koa ireo mpikarakara fa ao anatin’izay fisokafana izay hatrany. Amin’ity andiany ity sisa no hijanona ao amin’ny Alliance Française ny hetsika, fa hovelarina amina toerana lehibe kokoa amin’izay.

Zo ny Aina

Partager sur: