Ho avy indray eto Madagasikara ny tarika Exo. Hanatontosa seho 3 lehibe izy ireo, ka ny voalohany ny 1 mey, ao amin’ny CCI Ivato. Ao Antsahamanitra izay toerana efa mahazatra azy ireo kosa ny seho faharoa, ny 3 mey. Any Toamasina ny seho fahatelo, ny 9 mey, ao amin’ny CRJS. Tsiahivina fa efa mpandalo matetika eto amintsika, manatontosa seho ara-pilazantsara manana ny kalitao toa ny ivelany izy ireo.
Manodidina ny teatra indray ny velakevitra hotontosaina rahampitso, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. « Ny teatra: kolontsaina sy fanabeazana mampivoatra ny mahaolona », no lohahevitra hovelabelarin’i Herinina (mpampianatra, mpanoratra, mpisehatra, mpandrindra an-tsehatra ary mpampiofana teatra) sy i Noa Rakotonarivo (mpampianatra sy mpanoratra teatra). Manomboka amin’ny 2 ora ny velakevitra.
Nodimandry i Hadesy Kyarah. Misaona ny tontolon’ny rap malagasy, indrindra ny avy ao Toamasina. Mpikambana ao amin’ny vondrona Femeec’s 501 izy, ary nisolo tena an’i Toamasina tamin’ny hetsika « Indepenza 2.0 », araka ny nampitain’i KD, mpitarika ny North & Center. Naneho ny fiaraha-miory ireo ao anatin’ny tontolon’ny Hip Hop rehetra amin’izao fahabangana izao.
Mandalo eto Madagasikara i Bernd Leideritz. Mpikarakara hetsika sy mpanodina mpanakanto any ivelany izy, izay tena mpankafy ny mozika malagasy ihany koa. Nanatrika manokana ireo seho tamin’ity faran’ny heriandro ity, toa ny an’i Jaojoby teny amin’ny Jaos’Pub, Zandry Gasy teny Soamanandrariny ary ny an’i Olombelo Ricky tetsy Mahamasina izy.