Tsy honohono intsony fa tena raikitra! Ny alahady 13 avrily izao, manomboka amin’ ny 2 ora tolakandro, ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina etsy Imahamasina. Hanatanteraka seho fiderana goavanabe ny Tanora Masina Itaosy. “Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy i Jehovah” Jer.31:17a. Araka io teny faneva io, ny fanantenana ao amin’i Jesosy indray no lohahevitr’ity fampisehoana an-tsehatra ity, raha ny fanazavan-dry zareo Tanora Masina Itaosy.
Hahazo vahana kokoa, eny an-toerana, ny loko maitso. Ankoatra izay, tahaka ny mahazatra sy efa zary fomba fanaon’ny TMI, hisy ny tsy ampoizina amin’io fotoana io. Ny efa fantatra kosa, hampiasa ny «bracelet fluoriscent» ny eny an-tsehatra sy ny mpijery ka hisy ny fihetsika mirindra sy hiarahan’ny roa tonta.
Marihina fa eo amin’ny tontolon’ny hira evanjelika sy hira fiderana an’Andriamanitra. Ny TMI no nahavita fitetezam-paritra sy fampisehoana maro indrindra tamin’iny taona 2024 iny. Antony iray hanatanterahin’ny TMI ity seho goavana be ity izany. Seho santantra hitadiavana ny hoenti-manana hividianana fiarakodia, hanatanterahana fampisehoana manerana an’i Madagasikara. Fantatra mantsy fa mbola mitoetra ho olana ho an’ny TMI ka tsy hahavitany ny seho tokony hotanterahiny ny fitaovam-pitaterana.
HaRy Razafindrakoto