TARATRY ny KANTO

Tontonsa omaly ny fandevenana an’i Thierry. Izy ilay mpikambana ao amin’ny Feokanto, maty an-drano ny alatsinainy teo. Namita ny adidy farany taminy ireo namany tao anatin’ny tarika, izay notarihin-dRajery, mpiahy azy ireo. Nisy ny hira nataon-dry Feokanto teo am-pamaranana ny fotoam-pivavahana, nanaovam-beloma an’i Thierry.
“Ny Mpitory & VLM Ankatso en live”. Rindran-kira hotanterahina ny sabotsy 12 avrily izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny FLM Ambolokandrina. Fotoana hanehoan’ireto antoko mpihira ireto ny halehiben’ny voninahitr’Andriamanitra. Hampitana hafatra ho an’ny rehetra ny amin’ny hitodihana amin’Ilay Mpahary.
Miha manalavitra ny fahafantarana ny atao hoe: “tsara”, “kanto”, “fifanajana”, ny Malagasy. Antony iray mahatonga izany ny fanabeazana sy fitaizana. Tsy miompana any amin’ireo ny fampianarana na ny anatra omen’ny raiamandreny fa any amin-javatra hafa. Mampirisika ny zanany ho tonga amerikanina!
Mitombo isa haingana be ireo mitonona ho “coach” na “maître” mpitarika sy mpanoro-hevitra ao anaty tambajotran-tserasera. Saba-droa lela, satria, misy amin’izy ireny mitondra sy misarika any amin’ny fandrebirebena. Ny hafa mamarina an-kady… Vokany, tsy hanana fivelarana izay mahita ka manaraka azy ireny, sady hitondra fihemorana eo amin’ny maha olona sy ny fiarahamonina.

Partager sur: