Fitaovana maoderina: Miha manalavitra ny aingam-panahy

Tany tatsinanana. Tafiditra ao anatin’io fanasokajiana io i Madagasikara raha eo amin’ ny tontolon’ny kolontsaina an­kapobeny. Havanana kokoa amin’ny fampiasana ny aingampanahy eo amin’ny sehatry ny famoronana na fana­tsarana na fanitarana, sns. Aingam-panahy avy ao anaty fa tsy ilay volena amin-javatra hafa.

Mihataka tsikelikely, anefa, izany satria mihazakazaka be ny fampiasana fitaovana maoderina eo amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Zavama­neno iray, mahavita feo telo na efatra miaraka. Fakan-tsary iray sy ordinatera iray maha­vita mamorona sary tsy azon’ ny saina eritreretina…

Maneran-tany, efa misy firenena (mponina ao aminy) manohitra sy tsy mahazo « tsirony » amin’ny kanto vitan’ireny fitaovana maoderina ireny. Amin-dry zareo ireto, tsy ampy hamaritana na hiainana ny atao hoe « kanto » ny fampiasana ny fitaovana raitra. Tsy ilay mpanakanto no mahay fa ilay fitaovana na ireo namboatra izany no nikaroka.

Io antony io no mahatonga ny mponina any amin’ny firenena « tandrefana » liana sy mahasahy mividy lafo ny asa tanana any amin’ny firenena tatsinanana.

… Saingy, tsy tsapan’ny any amin’ny firenena mbola mampiasa ny aingam-panahy izany fa ny mahamaika an-dry zareo, hampiasa ny fitaovana maoderina. Very hasina ny kanto!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: