TSELATRA

Toeram-pivarotana iray ao amin’ny fokontany Maharavo, Ambohidratrimo, notafihan’ny jiolahy afakomaly alina, tamin’ny 10 ora sy sasany. Lasan’ireo jiolahy, nandritra izany, ny vola 2 tapitrisa Ariary. Naratra mafy vokatry ny vono nahazo azy kosa ny raim-pianakaviana tao an-trano. Andian-jiolahy am-polony nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanao ny asa ratsy. Nopoirin’ny jiolahy ny varavaran’ilay trano ary nambenan’izy ireo avokoa ny varavaran’ny manodidina.
Lehilahy iray 35 taona eo ho eo hita faty tao anaty rano tetsy Ambohimangakely, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Mponina nadalo no sendra nahita ny razana tao anaty rano ka niantso ny tomponandraikitra. Tsy mbola fantatra ny momba azy io satria tsy nahitana taratasy mahakasika azy teny aminy.
Olona 1 namoy ny ainy, 9 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Manakatafana, kaominin’Ambodiriana, distrikan’i Toamasina II, afakomaly hariva. Tsy nahavily familiana ny mpamily noho ny fandehanana mafy ka nivarina tany anaty rano ny fiara. Efa nahazo fitsaboana sahaza azy avokoa ireo naratra.
Raim-pianakaviana iray namoy ny aina voahitsaky ny fiara hihazo an’i Betroka, afakomaly hariva. Nipitika avy anaty fiara noho ny “ballotage ” tampoka nahazo ny fiara teny an-dalana izy ka nitarika ny fahafatesany. Nianjera tany ivelany izy ary voahitsaky ny kodiarana avy any aoriana ka maty.

Partager sur: