« Loka Paritana 2025 » : Lasan’i Chloé Soafaniry Ramanankasina

Tanora « designer », manana aingam-panahy miavaka i Chloé Soafaniry Ramanankasina. Antony iray nironan’ireo mpitsara tamin’ny tetikasany, ka nahazoany ny loka « Paritana 2025 » izany.

«Renouer les tresses de son identité ». Io ny tetikasa naharesy lahatra ny mpitsara, amin’ny loka « Paritana 2025 », fifaninanana tetikasa ara-javakanto karakarain’ny Fondation H. Tetikasan’ i Chloé Soafaniry Rama­nan­kasina, « designer » malagasy monina any Frantsa izy ity. Miavaka tamin’ny maro ka nambabo ireo mpitsara, ary heverina fa hahasarika ireo tia zavakanto maro maneran-tany ihany koa izany. Nampa­hafantarina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny IFM Analakely ireo nandresy tamin’ity andiany ity, miaraka amin’ireo loka homena ny mpanakanto.
Ao anatin’ny loka azony ny fanatanterahana ny tetikasa, ka hamonjy tsy ho ela ny Cité internationale des arts any Paris izy, hanatontosa « résidence de création », fanomezana aina ity tetikasa ity. Ny volana oktobra hatramin’ny desambra izao no hanatontosain’i Chloé Soafaniry izany, mialohan’ny hirosoany amin’ny fampirantiana. Na­hazo fanohanana mitentina 3 000 euros ihany koa izy hoenti-manana amin’ny fanatanterahana, ankoatra ny tapakilana fiaramanidina hihazo an’i Madagasi­kara. Rehefa tontosa ny tetikasa, hampiranty izany ao amin’ny Fondation H ao Paris i Chloé Soafaniry ny volana desambra 2025. Aorian’izay, hihazo an’Antana­narivo izy, ka hampiranty etsy amin’ny IFM Analakely ny volana marsa na avrily 2026.
Samy nitovy isa teo amin’ny fitsarana ireo tetikasa roa, nahazo ny laharana faharoa. « Fihavanana, mitam-pihavanana » an’i Andry Marcel ny iray, izay mahakasika ny hairaha ara-endrika aman-bika efa nahafantarana an’ity mpanakanto ity. « Echo : les murmures des arbres » kosa ny faharoa, tetikasan’ilay mpanao hosodoko, i Rado Ramilison. Samy mahazo fanohanana mitentina 2,5 tapitrisa Ariary avokoa ireto mpanan-talenta ireto, miampy ny fanohanana amin’ny fanatontoloana ny tetikasa mandritra ny roa volana ary arahina fampirantiana hifandimby ao amin’ny Fondation H.
« Tetikasa niisa 46 no voarain’ireo mpitsara, izay somary nanahirana azy ireo satria samy misy raisina avokoa. Ireo kosa no tena nironan’ny mpitsara tamin’ity », hoy i Hobisoa Raininoro, tompon’andraikitra ao amin’ny Fondation H.

Zo ny Aina

Partager sur: