Feno ny fialamboly ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Naturia Palm Antanambao. Nandray ny « THB Mifety » ho an’Avaradrano mantsy ny toerana, ny sabotsy sy ny alahady teo. Hipoka olona ny andro voalohany, izay niarahana tamin’ny tarika AmbondronA. Harivariva vao niakatra ny tarika, kanefa nahandry ireo mpankafy izay efa tonga vao maraina. Tsy nampaninona an’ireo niaritra anefa, rehefa nandahatra ireo hirany tsy lefy laza ry Beranto sy ny tariny.
Revy hafa kosa ny andro faharoa, nizaran’ny tarika Zandry Gasy ireo hira vokatry ny tany, nitety vanim-potoana kanefa maro mpankafy. Nanomboka tamin’ireo sanganasan’ny tarika manokana izany, nandalo ireo hira nohavaozina sy novelomina, araka ilay hoe « vakoka sy soatoavina », nahafantarana ny Zandry Gasy hatramin’izay. Samy naharitra ora maro ny fampisehoana, satria izay nahafa-po ireo nanatrika no natao tanjona.
Zo ny Aina