Hisy ny fihaonana eo amin’ireo mpandala ny « Alahamadibe », anio. Sady fanokafana ny fampirantiana « Alamahadibe 2025 » , izay hatao eny amin’ny IKM Antsahavola izany, manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro. Ireo sary sy horonantsary rehetra noraiketina nandritra ny fankalazana ny 29 sy 30 marsa teo, no haranty mandritra io. Sary noraisina tany amin’ireo vohitra mpikarakara ny « Alahamadibe » ireo, fa ny ankamaroany nandritra ny ivony teny Ankazomalaza Ambohimanga.
Hovalian’ny mpikambana ao amin’ny vondrona Mamelomaso avokoa ireo fanontaniana manitikitika ny rehetra mahakasika ny Alahamadibe sy ny fomba fandroana isa lava, ny taombaovao tamin’ny andron’ny Ntaolo izay tozoina hatramin’izao, ny fitohizan’ny fomba amin’ny taranaka, sns.
Ao anatin’izay fandalana ny fomban-drazana izay hatrany, tontosa omaly ihany koa ny « Farihy be tsy vaky », tany Ampefy. Nosafidiana manokana noho ny andro omaly fenomanan’ny Alahamady io. Fomba iray fanao ho fanomezana hasina toerana iray izy io. « Tsy vaky », izay midika fa sady tsy mivoaka no tsy ritra mandritra ny taona ny rano. Misy ny ala faditra sy sorona ary fanatitra natao. Fanamafisana ny toky natao tsy ivadihana ihany koa izany.
Zo ny Aina