Toy ny fanaony isan-taona, hanolotra amboaran-kira Paska ny Chorale Orimbato, ny alahady 20 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hanana endrika miavaka ny amin’ity taona ity, satria, hiarahany miasa amin’ny Fikambanana mampiely baiboly malagasy (FMBM), noho ny faha-190 taona nahavitana printy voalohany ny Baiboly Malagasy.
Endrika voalohany, fampirantiana momba ny tantaran’ ny Baiboly Malagasy, izay nandalo vanim-potoana fito rehefa namoaka didy Radama I fa ny soratra latinina no hanoratana ny teny malagasy, tamin’ny 26 marsa 1823. Ny endrika faharoa, amboaran-kira izay narafitra amin’ny ankapobeny tamin’ny sanganasan’ireo mpamoron-kira ao amin’ny Chorale Orimbato. Ahitana fizaram-potoana roa. Tapany voalohany, handrenesana ireo hira momba ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty. Ho re amin’ izany ny «Kalvary» (Fara Ratovo), «Velona ny Tompo» (Razafindramanga Minoniaina), «Derao Izy» (Emma Razafimamonjy) … Ny tapany faharoa kosa hatolotry ny mpanentana avy ao amin’ny FMBM, ifantohana amin’ny teny fanevan’ny faha-190 taonan’ny Baiboly Malagasy : «Mandre, mandray ary mamoa». Elanelanin’ny hira tsy mbola fandre toy ny «Fiderana ny Mpamorona» (P. Andriantsalama), «Teny soa» (J. Rakotonirainy), «Hanompo Anao» (Tsiresy Rajaonarifetra), sns.
HaRy Razafindrakoto