TARATRY ny KANTO

Feno 20 taona ny lanonam-panokafana ny fitokanana ny sampana Havatsa-Upem Frantsa. Homarihina amina hetsika lehibe io vanim-potoana io, ny 26 avrily izao, ao amin’ny Espace André-Magné, 18 bis, rue du 14 juillet 94 270 Le Kremlin-Bicétre. Hisy ny «Antsan’i Frantsa» ravahina hira. Ny «Antsa nanavà­tsa», faha-18 taona namafazan’i Hajaina ny teny sy ny literatiora malagasy ivelan’i Madagasikara.

Manana ny andraikitra sahanina ny ray aman-dreny eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Amin’izao vanim-potoana izao, mihena be izany, satria, tsy manam-potoana, reraky ny asa, sns, izy ireo. Nanjary taizan’ny fiarahamonina ny zaza ka mahazo fanabeazana «tsy voasivana». Mila fanarenana goavana io tranga io. Mila toekarena matanjaka!

Fankalazana ny «Andro maneran-tany ho an’ny boky». Hetsika kolontsaina sy zavakanto maro no hanamarihina izany. Fampirantiana boky sy sanganasa kanto, mazia, teatra, fampisehoana hatsikana, slam, dihy sy zumba. Hetsika hotanterahina ny alarobia 23 avrily izao, ao amin’ny Tranomboky Monisipaly Analakely. Maimaimpoana ny fidirana.

Anisan’ny sehatra lehibe ahafahan’ny kolon­tsaina malagasy mivelatra ny foibe kolotoraly tanta­nan’ny vahiny. Na izany aza, tsy tokony hijanona
amin’ny fananana azy ireny ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Any amin’ny kaominina no mila hananganana ny foibe tahaka ireny. Sady ezaka famohazana talenta izy io no hoenti-mampahafantatra ny kolontsaina sy zavakanto fototra.

Partager sur: