Volana mey : Hizara traikefa marolafy i Fidimalala

… Tsy ela fa vao andro vitsy. Nanamarika ny faha-97 taonany i Fidimalala. Mpanakanto anisan’ny zokiny indrindra eto Madagasikara sy any ivelany. Hizara ny traikefa maro ananany izy.

Hiavaka tanteraka ny hetsika Sehatra Bagasy amin’io volana mey io. Ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola no hitondrana sy hizaran’i Fidimalala ny traikefa ananany eo amin’ ny hira sy ny gitara. Fa, indrindra, ny famelabelarana ny fiainan’ny mpanakanto malagasy nitondra sy niaina ny bagasy tany Eorôpa. Ankoatra ireo, ny hanolorany miaraka amin’ny tarika R’imbosa ireo hira noforoniny sy niarahany tamin’i O’Suza sy Barijaona. Ao anatin’ny zara sehatra malalaka no hifampitafa mivantana
amin’i Fidimalala ireo rehetra te hanao izany amin’io foto­ana io.
Anisan’ny Sehatra Bagasy mafonja ity amin’ny volana mey ity. Ankoatra ny fampitana zavakanto sy kolontsaina, efa ela no nangetaheta ny ahafantatra tantara ny tanora. Iray amin’ireny ny fanirian-dry zareo hahalala ny fiainan’ny mpanakanto malagasy monina any ivelany. Ny fitiavan’ny vahiny ny zavakanto malagasy. Ny zava-takina amin’ny mpanakanto malagasy raha te hivelona amin’ny kanto ataony…
97 taona i Fidimalala. Mahafantatra tantara maro momba ny lalana nizoran’ny hira malagasy sy ireo mpanakanto niangaly izany izy. Vitsy ny mpanakanto malagasy manana io fahalalana io. Fanararaotra, indrindra fa ho an’ny tanora, ny hetsika tahaka izao. Ny tantara rahateo, saro-pady.
Mbola lesoka eo amin’ny hira malagasy rahateo ny tsy fananana soratra mitoetra. Saika ry zareo vahiny no nahavita izany. Saingy, misy amin’ireny no diso na tsy ampy rehefa hanaovana famakafakana sy fanadihadiana lalindalina kokoa. Faharoa, azo lazaina fa fitaratra ho an’ny tanora ny fananana mpanakanto zoky tahaka an’i Fidimalala.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: