Fetin’ny Paka eto Antsirabe. Niaka-daza izany tamin’ity, raha notarafina tamin’ny isan’ny olona tonga nitsidika ny hetsika « Star Tour 2025 ». Vao ny andrana, ny alakamisy dia efa tazana nisomebiseby ny olona. Ny zoma no tena nanomboka ny fety, izay lasa iray andro mialoha raha oharina tamin’ireo andiany teo aloha. Tsy hita pesimpesenina ny olona nanemitra ny arabe miainga eo amin’ny Gara ka hatreny amin’ny Tsangambato, izay tombanana ho maherin’ny 120 000, nandritra ny 4 andro.
Nanokatra ny andiam-pampisehoana teo amin’ny sehatra goavana i Samoela. Hira niaraha-niredona no nalahany. Nandimby azy, ny sabotsy, ry Reko Band, izay sambany no nandray anjara tamin’ny « Star Tour ». Tsy nampoizina ny fandraisan’ny mpijery azy 5 mirahalahy, satria tena tsapa ny fifamenoana teo amin’ny roa tonta. Niverina teo amin’ny sehatry ny « Star Tour » ihany koa i Tence Mena, nitondra endri-pampisehoana vaovao.
Ny alahady hariva no niaka-tsehatra ry Tempo Gaigy, tompon-tanàna. Narahin’i Lico Kininike, izay tena nandrasan’Antsirabe. Namarana, ny alatsainy kosa, ny mpanjakan’ny salegy, efa niara-niasa an-taonany maro tamin’ny Star. Mbola be mpankafy ary mitoetra amin’ny lazany i Jaojoby.
Endri-pialamboly be mpankafy ny teny amin’ny Espace préssion. Anjaran’ Antananarivo indray ny mandray ny « Star Tour 2025 » manaraka eo, amin’ny volana jona.
Zo ny Aina