TARATRY ny KANTO

Tsy ampy fialamboly ny Malagasy? Ny fahamaroan’ny mpijery fety isaky ny andro tsy fiasana ve no hitarafana izany? Sao mba ilay na ireo mpanakanto no mahasarika? Fanontaniana tahaka izany no mivezivezy ao anatin’ny sain’ny olona maro isaky ny vanim-potoana hisian’ny fampisehoana an-tsehatra, etsy sy eroa. Fa tsy azo hodian-tsy hita ihany koa anefa fa tia « mifety», hono, ny Malagasy!
Ny vanim-potoana tahaka izao no tsara hanehoana fa manana ny maha izy azy ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Seho na fampirantiana na izay mety ho endrika ahafahana manatanteraka izany, aseho sy harangaranga avokoa. Mila « hafenina » na takonana na halevina ilay fakana tahaka be fahatany ny an’ny hafa. Saingy, hatramin’izao, ny tahaka io farany io mihitsy no toa misongadina.
Raha tsy mbola manome lanja ny kolontsaina sy ny zavakantony ny Malagasy. Ho sarotra ho an’ny hafa ny hanaja azy (Malagasy). Io no anisan’ireo mampiavaka an’i Madagasikara manoloana izao tontolo izao. Raha vao io no takona, takona hanaraka izany koa ny maha Malagasy ny Malagasy. Hanao taingim-bozona eny foana ny vahiny.
Izay matanjaka amin’ny toekarena, matanjaka amin’ny kolontsaina. Fa izay matanjaka amin’ny kolontsaina ve tsy mety hatanjaka amin’ny toekarena? Jery ankapobeny, mifamatotra tsy afa-misaraka ireo. Ny azo antoka, afaka hampiasaina hanasongadinana ny tanjaky ny toekarena ny kolontsaina!

Partager sur: