Ny 11 avrily ka hatramin’ny 19 avrily teo. Notontosaina teto Antananarivo ny « Festival international du film d’animation de Madagascar (Fifam). Nandritra ny fotoam-pamaranana no nanolorana ireo mpifaninana mendrika ny fankasitrahana ny sanganasan’izy ireo. I Dolph Hasner no nahazo ny « Ondine d’Or », tamin’ny alalan’ilay sarimihetsika nampitondrainy ny lohateny hoe « Alika ». I Louisette Ratsivahiny kosa no nandrombaka ny « Ondine du jury » tamin’ny alalan’ny sarimihetsika « Boris et son tambour ».
Marihina fa ankoatra ny fifaninanana, tafiditra tao anatin’ ny fandaharam-potoanan’ny « Fifam » ihany koa ny fampiofanana na ny atrikasa ho an’ny ankizy mombany famoronana petadrindrina ho an’ny sarimihetsika. Tao koa ny fanofanana « Masterclass » ho an’ireo te hisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Ny fifanakalozan-kevitra momba ny famokarana « film d’animation » aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Ny feo sy ny sary hiteraka fihetseham-po eo amin’ny sarimihetsika. Nisy ny fandefasana sarimihetsika mifandraika amin’ ny lohahevitra, sns.
HaRy Razafindrakoto