Fotoana fanararaotana izao ! Mandray vahiny maro i Madagasikara. Tsy resaka « avo lenta » ho an’ny politika sy ny toekarena ihany no mila aseho azy ireny fa ny kolontsaina sy ny zavakanto ihany koa. Efa tsy dia tsara laza loatra rahateo ny politika sy ny toekarena raha ho an’i Madagasikara manokana. Mila hampahafantarina fa manana ny maha izy azy ny zavakanto malagasy.
Tsy mahay miaro ny kolontsainy ny Malagasy. Ny mandrava tsy voasakana. Ny Mandiso, efa fahazarana… Ny sisa miangana sy ny vao hajoro, mivaona tanteraka. Raha manome lanja ny kolontsainy ny Malagasy, tsy tokony ho tonga amin’ireo rehetra ireo ny zava-misy. Mila fitandremana fatratra anefa ny fanaovana izany mba tsy hivily any amin’ny didy jadona. Any Chine, ohatra, mitana ampaham-potoana lehibe amin’ny fandaharam-pianarana ny kolontsaina sinoa. Ny soa fianatra !
Mitombo andro aman’alina ny mitonona ho mpandala ny fomban-drazana. Tranga anisan’ny mahavelombolo, raha tena izay tokoa… Anisan’ny mahasarika tanora izy ireny. Mila hatao laharam-pahamehana ihany koa, anefa, ny fahafantaran’ny tsirairay ny momba azy mba tsy handeha ilay hafanam-po. Ny tena aloha no mila fantarina izay vao ny hafa !
Mandray roa ny asa tanana. Ny iray, maneho ny maha varotra azy. Ny lafiny faharoa, mampiharihary ny maha zavakanto azy. Io faharoa io no manomboka very eo amin’ny Malagasy. Ilay varotra no maha maika, hany ka tsy tazana intsony ny aingam-panahy, ny hasina… Raha io tranga io no mitohy sy lahazo vahana, tsy hanana mpanao asa tanana manan-talenta intsony ny Malagasy !