Faribolana Sandratra Betafo: Amboaran-tononkalo « Ankaromiafina »

Misy, miaina ary mampi­aina ny literatiora ny sampan’ ny Faribolana Sandratra ao Betafo Antsirabe. Porofon’ izany, hisy hetsika izay hotontosain’izy ireo ny sabotsy 26 avrily izao, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany, ao amin’ ny CGM Analakely. Antsan-tononkalo toy ny mahazatra, no sady famoahana ny am­boaran-tononkalo « Ankaro­mia­fina » izy io. Hetsika lehibe voalohany ho an’ity sampan’ ny Faribolana Sandratra izay anisan’ireo nitsangana taty aoriana, ity hotontosain’izy ireo eto Antananarivo ity.
Misy takila 120 eo ny am­boaran-tononkalo « Ankaro­mia­fina ». Nifarimbonan’ireo mpiray faribolana miisa 20, ao amin’ny sampana Betafo izany. Ahitana ny sanganasan-dry Faniry Ezeckiel, Ni Avatsa, Ny Avo, Elabakaka, Hiaka, Mikalo, Patrick Teddy, Aloka Miserana, Mikitroka Hazavana, Ny Fiainana B’y Hakay, Ny Tsiaro, Fanape­rana, Nambinina, sns. Miresaka lohahevitra maro, aingam-panahy maro aseho amin’ny fiangalina ny soratra izay samy manana ny hanitra ho azy izany. I Zo Maminirina kosa no nanao ny teny fanolorana ny « Ankaromiafina ».
Nisy ny fiarahan’ireo poetan’ny Faribolana Sandratra tamin’ireo namany avy ao amin’ny Havatsa Upem, afakomaly, izay nentina nanamarihana ihany koa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny boky sy ny zon’ny mpamorona.

Zo ny Aina

Partager sur: