Be ny efa vitany, saingy mbola vonona hanome ny tsara indrindra hatrany i Jaojoby. Ho famaliana ny hetahetan’ireo mpankafy, hanamarika ny faha-55 taonany an-tsehatra, miaraka amin’ny fitetezam-paritra sy hetsika maro izy.
Taona 1970, vao 15 taona monja i Jaojoby Eusèbe tamin’izany… Hianatra no nahatongavany tao Antsiranana, saingy nitsiry tao aminy koa ny fitiavana ny mozika, ka nandraisany anjara voalohany tamina fifaninanan-kira ary nahazoany ny laharana voalohany. Hanamarika mandrakizay ny tantarany io, satria azo lazaina fa sehatra voalohany ho an’i Jaojoby. 55 taona aty aoriana, maro no efa nolalovany saingy mbola milalao an-tsehatra hatrany i Jaojoby. Porofon’izany, tsy nisy latsaka na kely aza ny fiakarana an-tsehatra izay notontosainy nandritra ny « Star Tour » tao Antsirabe, ny alatsinain’ny Paka lasa teo. Fampisehoana feno, nitetezany an-kira izay 55 taona izay, ary nahatsapana ihany koa fa nandalo vanim-potoana ireo hiran’i Jaojoby.
Nandritra izay fiakarana an-tsehatra tao Antsirabe izay no nilazan’i Jaojoby ny vaovao : homarihina amina hetsika maro ny 55 taona an-tsehatra. Any Antsiranana ny seho voalohany ny 30 avrily izao. Rariny loatra, satria tanàna nanombohan’i Jaojoby nandrafitra ny lalany tamin’ny mozika io. Tao no niarahany tamin’ny tarika Los Matadores. Tao koa no nananganany ny tarika The Players, izay efa namoaka kapila tamin’izany.
Misy fandaharaham-potoan’i Jaojoby sy ny tariny ny 4 mey, ao amin’ny Kianja Barea aorian’io. Manaraka avy eo ny fampisehoana lehibe ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny volana jona. Misy koa ny fitetezam-paritra maro. Anisany ny seho any Amboahangibe, tanàna nahaterahan’ny mpanjakan’ny salegy. « Isaorana Zanahary fa efa nandalovanay avokoa ireo kaontinanta 5, nizarana ny mozika malagasy. Misaotra azy koa mbola afaka mizara amin’ny Malagasy rehetra ny talenta nomeny », hoy hatrany i Jaojoby tao Antsirabe.
Zo ny Aina