Faculté EGS Ankatso: Nankalazaina ny Andron’ny boky

Nankalaza ny Andro maneran-tany ho an’ny boky, andiany faharoa ny faculté EGS (Economie, Gestion, Sociologie) eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo, omaly. “Boky, mpanoratra, andrin’ny fampandrosoana”, io ny lohahevitra nentina na­namarihana ny hetsika. Nahitana fandaharam-potoana maro samihafa nahafahana nampiseho ny tontolon’ny boky teny an-toerana.
Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra eo amin’ny rohim-boky, toy ny mpanoratra, editora, mpanonta boky sy ny maro hafa. Nisy ihany koa ny adihevitra sy ny famelamelaran-kevitra, famakiana boky niaraka, atrikasa momba ny vaky boky sy ny fanoratana. Tanjona ny hanamafisana ny fitiavan’ny rehetra ny vaky boky, sy hisarihana ny olona ho tia hamaky boky.
« Tokony hanampy amin’ny tontolon’ny vaky boky ny niomerika fa tsy ho sakana”, hoy ny Doyen ny fakiolte EGS, Andriamahefazafy Fano. “Ilaina fahazaina ny mampirindra ny vaky boky sy ny niomerika”, hoy ihany izy. Anisan’ny manana “plateforme” antsoina hoe: “eBook” ny eny anivon’ny oniversite, izay manampy amin’ny famakiana boky niomerika.

Mino

Partager sur: