Hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpahay tantaran’ny firenena roa tonta. Hisy ny fampiofanana ireo mpitantana mozea, mikasika ny fikajiana ny harembakoka sy ny toerana miavaka. Anisan’ireo lohahevi-dehibe niompanan’ny fihaonan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny delegasiona notarihiny tamin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina malagasy, Mara Volamiranty Donna, teny amin’ny Rovan’Antananarivo ny alakamisy teo io. Anisan’ ireo delegasiona frantsay ny minisitra misahana ny kolontsaina, Rachida Dati, izay nanamafy ny maha zava-dehibe ny fifandraisana ara-kolontsaina eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara. Nosoniavina nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny fampiharana ilay fifanaraham-piaraha-miasa mahakasika ny mozea sy ny harembakoka, izay natao tany Paris ny volana oktobra lasa teo. Mazava loatra fa noresahana ihany koa ny momba ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera sy ny an’ireo mpiantafika roa. Nanamafy ny didim-panjakana frantsay izay maneho mazava ny famerenana izany aty Madagasikara ireo delegasiona frantsay. Etsy ankilany, efa tokony noraisin’ny firenena malagasy nialoha izao fitsidihana izao izany, saingy noho ny fandaminana sy ho fanarahana ny fandraisana ara-pomba dia nahemotra amin’ny fotoana izay mbola hotondroin’ny fianakavian’ny Ampanjaka Toera izany. Nanotrona rahateo ny fitsidihana ny kaomity manokana misahana ny fampodiana ireo kabeso, niaraka tamin’ireo olobe eto amin’ny firenena ary ireo mpahay tantara.
Zo ny Aina