FANTINA sy FINTINA

Naneho fiaraha-miory amin’ny Ekar ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Anisan’ireo tonga nitsapa alahelo teny amin’ny Nonce Apostolika sy nanoratra tao aminy boky volamena ny tenany noho ny fahalasanan’ny papa François. Notanterahina teny Ivandry, ny alakamisy teo, izany fanehoana ny fiombonam-po amin’ny mpino katolika izany.

Naneho fiombonam-po sy fankaherezana ny Nonciature koa ny avy amin’ny HVM, tamin’ny alalan’ny filoha nasionalin’ny antoko, Rakotovao Rivo. Nambarany fa nitandro ny firaisam-pirenena ny papa Fransoa. “Niady ho an’ny madinika ary feno fanetren-tena ka mendrika ny hisaorana tamin’ireo ezaka vitany”, hoy izy.

Nanentana ireo ben’ny Tanànan’ny faritanin’ Antsiranana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard mba hijery ny tombontsoan’ny kaominina. “Ilaina ny fifandraisana akaiky sy ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana foibe”, hoy izy tamin’ny fiofanan’ireo mpitantana eny ifotony ireo ny herinandro teo, tetsy Anosikely.

Sambany naneho hevitra indray ny Raobelina Andry, anisan’ireo kandidà filoham-pirenena, niara-dia amin’ny “Hetsika fotsy”. Nambarany fa tsy azo antenaina hanavotra ny firenena ny mpitondra amin’izao fotoana izao. “Ireny niaraha-nahita ireny ny fahitan’izy ireo ny fiainan’ny vahoaka maro anisa, sy ny famaritany ny hoe Malagasy sambatra”, hoy izy.

Partager sur: