Fiara tsy mataho-dalana tra-doza ka nivadika tetsy amin’ny RN1, teo Malaza Ampitatafika, omaly tolakandro. Tsy nisy nahiana ny ain’ireo mpandeha enina mianaka tao anatin’ny fiara.
Roa lahy nandroba tao anaty taxi-be voasambotry ny polisy tetsy Antohomadinika, ny sabotsy 26 avrily teo. Nalain’ireo tontakely ireo ny volafotsy an’ny vehivavy iray mpandeha.
Omby 40 niara-maty nilatsaham-potaka tao amin’ny kaominina Soaindrana, distrikan’i Vohibato, afakomaly. Nokasaina entina hiakatra aty an-dRenivohitra ireo omby ireo.