Volana vitsivitsy izay no nahitana fanitarana ny fotodrafitrasa etsy amin’ny AFT Andavamamba. Tontosa soamantsara izany ary notokanana ny faran’ny herinandro lasa teo. Fotodrafitrasa vaovao ahitana efitrano fianarana enina, toeram-piofanana informatika ary toerana malalaka iray ho an’ny fikotrehina zavakanto izany. Nomena ny anarana Monique Raharinosy ity trano vaovao ity, ho fanomezam-boninahitra ity nahavita be ho an’ny AFT Andavamamba ity. Fanampin’ny fotodrafitrasa vao notokanana tamin’ny taona 2023 teo ity trano faharoa ity, mariky ny fandrosoan’ny sehatrasan’ny Alliance Française eto Madagasikara, indrindra ny foibe etsy Andavamamba.
Raha hatambatra, mahatatra 1100 m² ny velaran’ny fotodrafitrasa vaovao, ho an’ny fampianarana sy ny kolontsaina ao amin’ny AFT. Tontosa vokatry ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka frantsay sy malagasy izany, izay nanana solontena tamin’ny fotoam-panokanana.
Ny lafiny fampianarana ny teny frantsay, efa angadin’ny Alliances française maneran-tany iny. Fa manome sehatra hatrany ny fifanakalozana ara-kolontsaina ihany koa izy ireo, ary efa nahitam-bokany maro tsy voatanisa izany, hatramin’ny niasan’ny sampana rehetra manerana ny Nosy.
Zo ny Aina