« Jazz Day 2025 » : Homarihana amina seho firaisankina

Manana ny mpiangaly jazz miavaka koa ny eto Mada­gasikara. Marina fa tsy mbola misandrahaka ka heverina fa ho an’olom-bitsy, kanefa efa manana ny toerany eto amintsika ny mozika jazz. Homa­rihina ny alarobia 30 avrily izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny jazz na ny «Jazz Day». Firenena maherin’ny 190 no manamarika izany maneran-tany, ka samy ma­nana ny endri-pankalazana avy, saingy homen-danja ny firaisankina.
Hisy ny seho miavaka, izay hotontosaina etsy amin’ ny Fara West Faravohitra, ny alarobia izao, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hanehoana indrindra ny fiarahana anaty fahasamihafana, ny haren’ny mozika ao ambadiky ny jazz, fa indrindra ny firaisankina eo amin’ny samy mpanao mozika mpiangaly ny jazz io fotoana io. Hanana ny fahalalahany haneo ny talentany ireo mpanao mozika, araka ny lalan-tsaina voizin’ny jazz maneran-tany. Maromaro ireo mpanakanto efa fantatra fa handray anjara, ka anisan’ ireny ry Datita Rabeson, Nin’s Rabary, Do Andriambelo, Gerard Ratsimiseta, Harris Mananjara, Naivo Andriam­belo, Harty Andriambelo, Titi Razakamiadana, Sandrine Rajaofetra, Samy Andriama­noro, Mihaja Rakotoarisoa, Eric Rakotoary, sns. Hisy ny « Jam Session » ankoatra izay, saingy mila misoratra anarana ireo te handray anjara.
Marihina fa ny tanànan’i Abu Dhabi no handray ny fankalazana ofisialy maneran-tany amin’ity. Miara-mikarakara izany ny Unesco sy ny Herbie Hancock Institue of Jazz, ka hahitana hetsika ma­romaro mandritra izany. Ani­san’izany ny «All-Star Global Concert», izay handeha mi­vantana amin’ny UNTV sy ny tambajotran-tserasera maro maneran-tany, manomboka amin’ny 11 ora eto Mada­gasikara.

Zo ny Aina

Partager sur: