Nizara ny « Le pauvre Matelot » ny Hetsika Lyrika. Indroa naseho ity « opéra » ity, ka ny voalohany ny alakamisy, teny amin’ny Cité des cultures Antaninarenina. Ny faharoa kosa ny sabotsy teo, tetsy amin’ny IFM Analakely. Mpanakanto avy amina firenena maro no natambatr’i François Bagur sy Xavier Ribes, namoaka ity seho kanto nanome lanja ny maha olona ity.
Njakatiana tetsy amin’ny La City Ivandry. Fihaonana akaiky kokoa, feno hafanana, teo amin’ny mpankafy sy ny mpanakanto iny nitranga ny zoma lasa teo iny. Andro maromaro mialoha dia efa lany ny tapakila, porofo fa mitoetra hatrany ny lazan’i Njakatiana, ary mitombo hatrany aza. Nanembonembona ireo taona maro nolalovana ireo mpankafy, nomarihin’ireo hira tsy lefin’ny vanim-potoana.
Hitondra an-tsehatra ny « Film eksa » ry Antso Bommartin, Miranto Godar, sns. Fampisehoana hatsikana izy ity, ny sabotsy 3 mey izao, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Hatsikana hiresaka ireo olon-tiana taloha amin’ny tsara sy amin’ny ratsy, araka ny fahitan’ireto mpanao hatsikana ireto azy izany. Efa andiany faharoa ity fampisehoana ity, izay mivoaka kely amin’ny mahazatra.
Nifarimbonan’ireo poeta avy amin’ny Faribolana Sandratra ao Betafo, ny hetsika famoahana ilay boky « Ankaromiafina ». Niavaka noho ny mahazatra ny antsan-tononkalo fanao tetsy amin’ny CGM Analakely ny sabotsy teo, satria nanomana fotoana ela ireo mpiray faribolana avy any Betafo. Voarakitra anatin’ity amboaran-tononkalo ity avokoa ireo nosafidiana nantsaina, nandritra ny hetsika.