Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao Fianarantsoa, ny tatitra ampahibemaso momba ny fitsirihana ny fampiasana ireo volam-panjakana. Teo koa ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna.
Nitarika izany ny eo anivon’ny Fitsarana momba ny kaonty ho an’ny fitsarana ara-bola. Anisan’ny nisongadina koa ny fanentanana sy fampiofanana fohy ireo andraikitra sy lalàna momba ny fitantanana ho an’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ary ny mpitambola eo anivon’ireo kaominina, any amin’ny faritra Matsiatra Ambony.
Nanentana sy nanafatrafatra ireo tomponandraikitra ifotony ireo eo anivon’ny Fitsarana momba ny kaonty
ho an’ny fitsarana ara-bola. Anisan’izany ny momba ny fanajana ny didy aman-dalàna momba ny fitantanam-bolam-panjakana. Eo koa ny fanazavana momba ny andraikitry ny fitsarana momba ny kaonty sy fitsarana ara-bola ary manampy izany ny andraikitra sahanin’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana. Nampahafantarina tamin’ireo mpitantana rehetra teny ifotony koa ny momba ny andraikitry ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac). “Manampy ny kaominina momba ny fitantanana ary manara-maso izany ny Fitsarana momba ny kaonty ho an’ny fitsarana ara-bola”, hoy izy ireo.
Fampiasana ny volam-bahoaka
Nitohy tamin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fandraisana ireo fangatahana ary ny hetahetan’ireo ben’ny Tanàna ho fanatsarana ny asa ny fihaonana tamin’izany.
Tsiahivina fa anisan’ny nisongandina tamin’izao fihaonana izao ny tatitra ampahibemaso nataon’ny Fitsarana momba ny kaonty ho an’ny fitsarana ara-bola. Nivoitra tamin’izany ny momba ireo vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo ary koa ny fampiasana ny volam-bahoaka eny anivon’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa.
Nanatrika sy nisolo tena ny minisitry ny Fitsarana, ny talen’ny kabinetran’ny minisitra, Rabearisoa Rochel.
Synèse R.