Hihazo an’i Inde ny Miss Madagascar 2024. Natolotry ny masoivohin’i Inde miasa sy monina eto an-toerana an’i Cyria Teamangombe omaly, ny “visa” hoentiny misolo tena an’i Madagasikara amin’ny famaranana ny “Miss Monde”. Hatao any Telangana any Inde izy ity, ny 7 hatramin’ny 31 mey izao. Hantenaina hitondra vokatra tsara ny Miss Madagascar 2024, mandritra izany.
Notokanana omaly, ny trano famakiamboky ao amin’ny EPP Ankadivato. Natao indrindra hanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny boky izany, ka nomena tombony ireo ankizy any amin’ny ambaratonga fototra. Nifarana nandritra izany ny fifaninanana vaky boky ho an’ireo mpianatra, nentina nanentanana azy ireo. Ankoatra ny boky, nahazo fanomezana hafa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ihany koa ireo mpianatra.
Mozika maroloko, etsy amin’ny Babà Isoraka. Hanomboka aloha, satria ny alakamisy 1 mey dia hisy ny takariva fialamboly ao amin’ity toerana ity. Ny tarika Filah no hanafana ny sehatra, ka ho vahinin’izy ireo i Belahy. Handimby azy ireo ny zoma kosa ry Fara Gloum, Tafaragnitse ary i Lax Rakoto. Ny tarika Telofangady ny sabotsy 3 mey ary ny tarika akama kosa no hamarana izany ny alahady.
Hitohy any Antsirabe ny “Amour ‘ Rire”. Hotontosaina ny alahady 11 mey, ao amin’ny Kianja Tsarasaotra izany. Ilay endri-tseho tetsy amin’ny CCEsca ihany no hovelarin-dry Rajao, Raytra, Honorat, Riri, Aldini, Francis Turbo ary i Bahrone mandritra io seho io. Hivelatra toa izany koa ny lohahevitr’ireo hatsikana alahatr’ireto mpanakanto ireto, na ny iarahana izany na ny mandeha tsirairay.