Nirefodrefotra ny basy teny Ankatso ny asabotsy teo. Nifanehitra tamin’ny polisy teny an-toerana ireo jiolahy avy namaky trano.
Raikitra ny fifandonana ka maty voatifitra ny roa tamin’izy ireo raha vaky nandositra kosa ny namany hafa. Tokony ho tamin’ny 02 ora maraina teo, tsy nanampo ny hifanena tamin’ny polisy mpanao fisafoana ireto andian-jiolahy nitondra sabatra ireto. Avy nanao ny asa ratsiny tokoa ny jiolahy ary mbola teny aminy avokoa ireo entana halatra rehetra. Tsy nisalasala namoaka ny sabatra teny aminy anefa ireto mpamaky trano raha nahita ny polisy. Etsy ankilany, tsy nisalasala ihany koa ny mpitandro filaminana nanao ny asany sy nanao ny fahaiza-manaony rehetra nifanandrina tamin’ireo olon-dratsy. Raikitra ny fifanjevoana. Nitifitra ny polisy ka lavo tamin’izay ny roa tamin’ireo andian-jiolahy, tafaporitsaka ny hafa tamin’ireo olon-dratsy ka karohina fatratra amin’izao. Araka izany, mitohy hatrany ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana. Misy manaraka izany ireo polisy mpivezivezy eny amin’ireo toerana be olona. Ao ireo manao fanamiana sivily sy manao fanamiana maha polisy azy manara-maso ny eny rehetra eny. Ankilan’izay, araraotin’ny jiolahy hanaovany ny asa ratsiny koa ny andro fahavaratra sy andro hariva sy ny alina. Vokany, misy ny paikady sy fepetra raisin’ny polisim-pirenena hisorohana ireo asa ratsy isan-karazany.
Henintsoa Hani