Notanterahina ny 26 avrily teo ny antsapaka entina mizara ny tranon’ireo fianakaviana miisa 84 hisitraka ireo toeram-ponenana vaovao. Tafiditra amin’ny tetikasa Produir eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany.
Notontosaina tamin’ny fomba mangarahara ary natrehan’ny vaditany sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, indrindra ireo tokantrano miisa 84 ny nanaovana ny antsapaka, nahafahana nisitraka izany fotodrafitrasa, naorin’ny fanjakana izany. Nambaran’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina ary ny vehivavy, Razafinjato Aurelie, fa zava-dehibe ny fampiroboroboana ny maha olona raha ho an’ny fitondram-panjakana. “Efa tsara ny trano honenanareo ka tokony hivoatra hanaraka izany koa ny fiainanareo, manomboka izao”, hoy izy. Nanteriny fa ezaka ho amin’ny fampivoarana amin’ny fiainam-pivelomana izao ka mila manana velon-tena maharitra ireo nisitraka ny trano. Hanome tan-tsoroka hatrany anefa na izany aza ny eo anivon’ny fitondram-panjakana, araka ny nambarany.
Fikojakojana ny fotodrafitrasa
Etsy andaniny, nanambara kosa ny tale jeneralin’ny fananan-tany, Rabodomalala Miangaly, fa tsy afaka niroso tamin’ny fanamboarana ny lakandrano C3 ny eo anivon’ny minisitera sy ny fitondram-panjakana raha tsy nahafoy ny fonenany nanamorona izany toerana izany izy ireo. “Aoka isika ho fitaratra satria hiasa ianareo… Ho tompon-trano tanteraka ianareo manomboka izao ka manana andraikitra lehibe amin’ny fikojakojana maharitra izany fotodrafitrasa”, hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izany ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Synèse R.