“Festival Tsika Jiaby”: Tanjona ny hampiakatra avo ny lentan’ny mozika malagasy

Hetsika iraisam-pirenena, karakaraina Malagasy, ho an’ny mozika Malagasy. Izay no antom-pisian’ny “Festival Tsika Jiaby”. Hiditra amin’ny andiany voalohany ny eto Madagasikara, raha toa ka efa andiany faharoa kosa ny any Frantsa.

“Tsika Jiaby”. Mahalaza ilay fiombonana, fiaraha-mientana, fihavanana maha iray ihany ny Ma­lagasy. Ao anatin’izay lalan-tsaina izay. Tanjona ihany koa ny hampiakatra avo ny lentan’ny mozika Malaga­sy, amin’ny alalan’ity festival “Tsika Jiaby” ity. “Handao hasongadina ny talentan’ny mpanakanto Mala­gasy. Hatao manakoako ma­neran-tany ny mozika, asa ta­nana sy kolontsain’i Madagasi­kara. Teraka taorian’izay ny hetsika”, hoy ny fanazavana nentin’i Mamy Rakotoseheno, tompon’andraikitra voalohan’ny ao amin’ ny Mam’s Event, izay angady nananana ny hetsika. Nihaona tamin’ny mpanao gazety, omaly, izy ireo ni­tondra ny andinindininy mom­ba izany.
Raha toa ka ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny an­diany faharoa amin’ny Festival “Tsika Jiaby” ny any France, hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity kosa ny andiany voalohany eto Madagasi­kara. Rahampitso sabotsy 3 mey sy ny alahady 4 mey ny marina kokoa, etsy amin’ny kianja Barea Maha­ma­sina. “Mitovy ny zavatra hitranga amin’ireo andro roa ireo, saingy ny mpanakanto eny an-tsehatra no misolo”, hoy ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny Moozik’, izay miara-misalahy amin’ny fikarakarana. Ha­nomboka amin’ny 10 ora ma­raina dia efa haresaka ny toerana, amin’ny alalan’ny fanentanana isan-karazany. Hitohy amin’ny fifaninanana “karaoke Moozik” izany, hatramin’ny 11 ora sy sasany. Amin’ny 12 ora katroka kosa no hifandimby hiaka-tsehatra ireo mpanakanto nalahatra isan’andro, ka tsy hisy fiatoana mihitsy izany. Handrasana ny andro voalohany i Samoëla, Mage 4 ary i Tanjona Randrianarivelo. Handimby azy ireo ny alahady kosa i Jaojoby, Mily Clément ary ny tarika ‘Zay.
“Fotoan-dehibe ho anay ity hetsika ity, hosantarina aty ka hatrany ivelany”, hoy ry zalahy Mage 4, omaly. “Fotoana tena hiverenanay tarika Mily Clé­ment anatin’ny tontolon’ny mo­zika amin’izay ity, rehefa avy nangina ela loatra”, hoy kosa i Mily Clément, tamin-kafaliana. Izy sy ny tarika Mage 4 irery, hatreto, no mandray anjara amin’ny hetsika roa tonta, aty Madagasikara sy any Frantsa. “Voninahitra ho anay ny mbola mandray anjara amin’ny andiany faharoa, Ambohi-pihaonana be ilay Tsika Jiaby, na ho anay samy mpanakanto aza”, hoy kosa i Malala, tarika ‘Zay.

Misy ny fanovana
Niainga tamin’ny fitiavana sy ny finiavana hanao zavatra tsara ho an’ny mozika Mala­ga­sy, ny andiany voalohany. Ho­tontosaina ny 6 jona hatramin’ny 9 jona izao kosa ny andiany faharoa amin’ny “Festi­val Tsika Jiaby” any Paris, Fran­­ce. “Misy maromaro ny lesona notsoahina tamin’iny, ka harenina amin’ ny andiany faharoa. Nahena ho enina ireo tarika lehibe miaka-tsehatra isan’andro, ary nampitomboina ho efatra andro kosa ny hetsika amin’ity, mba hialana amin’ireny hoe tamin’ny 3 ora maraina vao niakatra ny tarika Rossy, ohatra. Ani­san’ny zava-baovao ihany koa ny fisian’ny sehatra faharoa, ho an’ny alim-panidihizana. Ampa­hany amin’ny fana­tsa­rana ihany ireo”, hoy ny nambaran’i Mamy Rakotoseheno.

Napetraka ny masontsivana
Nisy ny fiantsoana ireo mpanakanto maniry handray anjara amin’ny “Festival Tsika Jiaby” manaraka, eto Antana­na­rivo. Tarika 168 no indray na­maly ny antso tamin’izany, ary nahavelom-bolo ny mpikarakara. Tsy maintsy misy ane­fa ny fisafidiana sy ny masontsivana napetraka, niarahan’ny kaomity mpikarakara, ny tale ara-javakanto sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fa­natanterahana ny hetsika eto sy any France. “Misy koa ni­ankina amin’ny fahafahan’ny mpanakanto, satria fotoam-pampisehoana io na eto na any ivelany. Ankoatra izay ny lafiny fahazoan-dalana ho an’ireo hivoaka, ka ireo ihany aloha no voafantina amin’ity. Misy amin’ireo tarika sy mpanakanto nantsoina no miasa sy monina any Eoropa, ka tsy dia nanahirana firy ny fanamboarana ny fandaharam-potoana efa nipetraka mialoha. Maro koa anefa ireo hafarana avy aty Mada­ga­sikara, tsy maintsy nandamina izay ara-taratasy izay.
Araka izany, hanokatra ny “Tsika Jiaby” any Paris amin’ity ry Tsammy & Sahia, Zaza­niangarana ary i Tsiverilaza. Hifandimby an-tsehatra aorian’izay ry Mily Clément, Ola­dad, Tsiliva, Mage 4, Marco Klark, Mash­man­jaka, Dalvis, Laloon, Wawa, Erick Manana, Poopy, Mamy Gotso, Da Hopp, Tovolah, K’Bossy, Re­bi­ka, Bodo, Stéphanie, Joha­ry, Lola ary ny Tana Gospel Choir. Porofo ireo, fa midadasika ny mozika Malagasy no­safidianana, misy solontena ny faritra sy gadona ary mipetraka ny lalan-tsain’ny firaisankina izay voizina, ankoatra ireo mpanakanto

Manokatra ny lalana
Amin’ny maha festival azy, fotoana iray hitilian’ireo mpanodina mpanakanto maneran-tany ireo tarika heveriny fa afaka hisedra ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ny toa ity. Ho an’ireo efa nanoritra ny lalany, mitohy ny dia ary mitombo hatrany ny traikefa. Ho an’ireo sambany kosa, ha­nokatra ny lalan’izy ireo eo amin’izay tsena iraisam-pirenena izay ny “Festival Tsika Jiaby”. Ho tonga amin’ny fiaraha-miasa amina “festival” iraisam-pirenena hafa mantsy izany, rehefa miaka-daza eo. Ho voninahitry ny kolontsaina Malagasy, hamirapiratra ma­neran-tany.

Nanatontosa : Zo ny Aina

Partager sur: