Nanao fanambarana noho ny fetin’ny asa, ny 1 mey teo, ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany fa miaraka manangana ny firenena ao anatin’ny herim-po sy ny fitiavana ary mitondra anjara biriky amin’ny fanorenana sy fampandrosoana ny firenena isika. “Mankasitraka ny ezaka sy ny fanoloran-tenan’ny tsirairay izahay”, hoy izy.
Miharatsy hatrany ny naotin’i Madagasikara raha ny tatitra navoakan’ny Reporters sans frontières (RSF) eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Naoty 50,8 ho an’ity taona ity raha 54 izany tamin’ny 2024. Nihemotra ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Laharana faha-113 i Madagasikara amin’izao fotoana izao, raha faha-100 tamin’ny herintaona.
Hiara-manamarika ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ireo mpanao gazety, anio. Hotanterahina any Morondava izany. Hisy ny atrikasa sy fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo mpanao gazety sy ny manampahefana ao an-toerana. Hiompanan’ny dinika: “Tsy manome fahefana ho an’iza na iza hivoy vaovao tsy marina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety”.
Nanamafy ny fitakian’ny sendika, ny 1 mey teo, ny mpanolotsain’ny tanàna, Raharinirina Clémence. “Takina ny fampiakarana ny karama ho 30% farafaharatsiny, manoloana ny vidim-piainana”, hoy izy. Notakiny koa ny hamoahana ireo mpitarika sendikà
naiditra am-ponja noho ny tolona sendikaly nataony ary mitsipaka ny antsojay amin’izany ny tenany.